Mark 10

1Niala teo amin’izany toerana izany Jesosy ary nandeha tany amin’ny faritr’iJodia sy teny amin’ny faritra ambanin’ny Reniranon’i Jordana, ary nankeo aminy indray ny vahoaka. Ary araka ny fanaony, dia nampianatra azy ireo indray Izy. 2Dia nanatona Azy ireo fariseo mba hitsapa Azy ka nanontany hoe: “Ara-dalàna ho an’ny lehilahy va ny misaraka amin’ny vadiny?” 3Namaly Izy hoe: “Inona no nandidian’i Mosesy anareo?” 4Dia hoy izy ireo hoe: “Mosesy dia namela ny lehilahy iray hanoratra taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana ary mandefa azy avy eo.”

5Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Nohon’ny hamafin’ny fonareo no nanoratany ho anareo izany lalàna izany.” 6“Fa tany am-piandohan’ny famoronana, ‘Andriamanitra nanao azy ireo ho lahy sy vavy.’

7‘Amin’izany antony izany dia handao ny rainy sy reniny ny lahy ka hikambana amin’ny vadiny, 8ary hanjary ho nofo iray izy roa.’ Ka tsy ho roa intsony izy ireo, fa ho nofo iray ihany. 9Koa izay nakamban’Andriamanitra, dia aoka tsy ho sarahin’olombelona.”

10Ary rehefa tao an-trano izy ireo, dia mbola namerina nanontany mikasika izany indray ireo mpianatra. 11Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Na iza na iza lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga. 12Raha misaraka amin’ny vadiny ny vehivavy ka manambady lehilahy hafa, dia mijangajanga izy.”

13Avy eo izy ireo dia nitindra ny zanak’izy ireo teo Aminy mba hametrahany tanana, fa nobedesin’ireo mpianatra izy ireo. 14Fa rehefa nahatsikaritra izany Jesosy, dia tezitra mafy Izy ka niteny tamin’izy ireo hoe: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna izy ireo, fa ny fanjakan’Andriamanitra dia an’ireo izay toa azy ireo.

15Lazaiko aminareo marina tokoa, na iza na iza tsy mandray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra izany amin’izany velively.” 16Avy eo dia notrotroiny ireo zaza ireo ka notsofiny rano sady nametrahany tanana.

17Ary rehefa nanomboka ny diany Izy, dia nisy lehilahy nihazakazaka ka nandohalika teo anatrehany, ary nanontany hoe: “Ry mpampianatra tsara, inona no tsy maintsy ataoko mba handovàko ny fiainana mandrakizay?” 18Jesosy nanao hoe: “Nahoana no antsoinao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara, afa-tsy Andriamanitra irery ihany. 19Fantatrao ny didy hoe: ‘Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, Aza mijoro ho vavolombelona tsy marina, aza mamitaka, hajao ny ray sy reninao’.”

20Dia hoy ilay lehilahy hoe: “Mpampianatra ô, efa narahiko hatramin’ny fahatanorako avokoa ireo rehetra ireo.” 21Nijery azy Jesosy dia tia azy. Ary hoy Izy taminy hoe: “Misy zavatra banga iray ao aminao. Tsy maintsy amidinao izay rehetra anananao ary omena ny mahantra izany, dia hanana harena any an-danitra ianao. Avy eo, manaraha Ahy.” 22Fa noho izany filazana izany dia nalahelo izy ka nandeha nangahiahy, satria nanana fananam-be tokoa izy.

23Nijery ny manodidina Azy Jesosy ary niteny tamin’ireo mpianany hoe: ‘’Tena sarotra ho an’ireo manana harena be ny miditra ny fanjakan’ Andriamanitra!‘’ 24Dia gaga tamin’ny teniny ireo mpianatra. Fa hoy indray Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Anaka, sarotra ny fidirana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra! 25Mora kokoa ho an’ny rameva ny miditra amin’ny vody fanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanakarena ao amin’ny fanjakan‘Andriamanitra.‘’

26Dia mbola gaga indray ny mpianatra ary dia nifanontany ireo hoe: “Iza izany no afaka ny ho voavonjy?” 27Nijery azy ireo Jesosy ary hoy Izy hoe: “Tsy vitan’ny olona izany, fa vitan’Andriamanitra. Satria ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra atao.” 28Dia nanomboka niteny taminy i Petera hoe: “Jereo, Izahay ireto dia nahafoy ny rehetra ary nanaraka Anao.”

29Ary hoy Jesosy: “Lazaiko marina aminareo, tsy misy olona izay nandao ny tranony, na ny rahalahiny; na ny rahavaviny, na ny reniny, na ny rainy, na ny zanany, na ny taniny noho ny amiko, sy ny Filazantsara, 30ka tsy nahazo avo zato heny amin’izao taonjato ankehitriny izao: dia trano, rahalahy, rahavavy, reny, zanaka sy tany, miaraka amin’ny fanenjehana, ary amin’ny taonjato ho avy, dia ny fiainana mandrakizay. 31Fa betsaka ny voalohany no ho lasa farany, ary ny farany ho lasa voalohany.”

32Teny an-dalana izy ireo, hiakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha nialoha azy ireo. Gaga ireo mpianatra, ary ireo izay nanaraka Azy taoriana dia natahotra. Nantsoin’i Jesosy ho eo Aminy indray izy roa ambinifolo ary dia nanomboka nilaza izay zavatra hihatra Aminy tsy ho ela Izy. 33“Jereo, miakatra ho any Jerosalema isika izao, ary ny Zanak’Olona dia atolotra ny mpisoronabe sy ny mpanora-dalàna. Ho helohin’izy ireo ho faty Izy ary hatolony amin’ny Jentilisa. 34Ireo dia haneso Azy, handrora Azy, hikapoka Azy, sy hahafaty Azy. Fa afaka telo andro dia hitsangana amin’ny maty Izy.”

35Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, nanatona Azy ary niteny Taminy hoe: “Mpampianatra ô, mba tianay raha mba ataonao izay rehetra angatahanay aminao.” 36Dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Inona no tianareo ho ataoko ho anareo?” 37Hoy izy ireo hoe: “Avelao izahay hiara-hipetraka aminao ao amin’ny voninahitrao, ka ny iray eo an-tanana ankavananao ary ny iray eo ankavianao.”

38Fa Jesosy namaly azy ireo hoe: “Tsy fantatrareo izay angatahanareo. Ianareo ve afaka misotro amin’ny kapoaka izay hisotroako na hiaritra ho atao batisa amin’izay hanaovana batisa Ahy?” 39Hoy izy ireo Taminy hoe: “Vitanay izany.” Ary niteny tamin’izy ireo Jesosy hoe: “Ny kapoaka izay ho sotroiko, dia ho sotroinareo, ary amin’ny batisa izay hanaovam-batisa Ahy, no hanaovam-batisa anareo koa. 40Fa izay hipetraka eo an-tanana ankavanako na eo ankaviako kosa dia tsy miankina amiko izany, fa izany dia ho an’ireo izay nanomanana izany.”

41Rehefa nahare ny momba izany ireo mpianatra folo hafa, dia nanomboka tezitra mafy tamin’i Jakoba sy Jaona. 42Nantsoin’i Jesosy ho eo aminy izy ireo ary niteny hoe: “Fantatrareo fa ireo izay heverina ho mpanapaky ny Jentilisa dia mampanompo azy ireo, ary ny lehibe mpifehy azy ireo dia manampatra fahefana amin’izy ireo.

43Fa tsy tokony ho toy izany ny aminareo. Fa na iza na iza maniry ho lehibe aminareo dia aoka izy ho mpanomponareo, 44ary na iza na iza maniry ho voalohany aminareo dia aoka izy no andevonareo rehetra. 45Fa ny Zanak’Olona tsy tonga mba ho tompoina, fa mba hanompo, sy hanolotra ny ainy ho takalon’aina ho an’ny maro.”

46Tonga tao Jeriko izy ireo. Rehefa nivoaka ny tanàna niaraka tamin’ny mpianany sy vahoaka marobe Izy, ny zanak’i Timeo, Bartolomeo, izay mpangataka sady jamba, nipetraka teo amoron-dalana. 47Rehefa nahare izy fa Jesosy avy any Nazareta izany, dia nanomboka nihiakiaka mafy izy ary niteny hoe: “Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!” 48Betsaka no niteny mafy ilay jamba, niteny taminy mba hangina. Fa vao mainka izy nihiaka mafy hoe: “Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko!”

49NIjanona Jesosy ary nampiantso azy. Nantsoin’ireo ilay jamba, ary noteneniny hoe: “Mahereza! Mitsangàna! Miantso anao Izy.” 50Nariany ny lambany, ary nitsangana, ka nankeo amin’i Jesosy izy.

51Dia namaly azy Jesosy ary niteny hoe: “Inona no tianao ataoko aminao?” Hoy ilay lehilahy jamba hoe: “Raby ô, te-hahiratra aho.” Ary hoy Jesosy taminy hoe: “Mandehana. Ny finoanao no nahavonjy anao.” Dia nahita niaraka tamin’izay ny masony, ary nanaraka an’i Jesosy teny an-dalana izy.

52

Copyright information for PltULB